Ilay fo mitempo anao hatramin'izay
Na mafana na mbola mamay
Ilay fitiavana nitoetra teo foana
Tsy nety ho ritra tsy nety ho mona
Na teo aza ireo olana maro
Famohizam-po izay nifangaro
Na ireo fijaliana,na ireo fifaliana
Ianao irery ihany no mbola tiana
Tsy mety vita ny hanadino,ireo tantara fahiny
Na lavitra aza aho,izaho tsy mino
Hoe lasa niova ianao ankehitriny
oh oh oh 'Lay fo mitempo anao
oh oh oh oh yeah
oh oh oh Tsy mbola niova hatramin'izao
oh oh oh oh yeah
Tsaroko foana anie ilay andro
Tamin'izay ilay dify nody ilay masoandro
Ireo fotoana iray mamintsika roa
Fanolorana no mamy ao am-po
Ilay masonao mipitrapitra
Nanganoano,naheno ilay mozika
Natsoiko ianao oety,iaraka nandy
Fihininao aho nankafy
Tsy mety vita ny hanadino
Ireo tantarta fahiny
Na lavitra aza aho
Izaho tsy mino, izaho tsy mino hoe lasa niova ianao
Ilay fo mitempo anao
Tsy mbola niova hatramin'izao